Nitari-dàlana ho amin'ny fandalinana ny ara-kolontsainan'ny rafi-piaraha-monina any Mélanésie, lafiny jeografy, i Joël Bonnemaison. Tamin'ny faritra iray anivon'ny afovoan-tany malagasy, Tsarahonenana (Lemak'Ambohibary, Vakinankaratra) no nanombohany ny fikarohany. Roa polo taona taty aoriana dia niverina tamin'io faritra io i Chantai Blanc Pamard sy Hervé Rakoto Ramiarantsoa, mpikaroka amin'ny taranja jeografy, handinika izay fiovàna nisy nandritry izay fe-potoana izay. Maka lafiny roa ity fiverenana tany an-toerana ity : sady niantefa taminy Tsarahonenana no nijery akaiky an'Andranomangamanga, ilay « efitra » any antendrombohitr'Ankaratra nalain'ny mponina tamin'ny taona 1967. Ity boky ity dia maka endrika teny ifanakalozana amin'izay efa nosoratan'i Joël Bonnemaison. Maro ny loha-hevitra voavaofy ao, miainga avy amin'ny zavaniova hita maso : ny habetsahany mponina voavelon'ny faritra, ny fitantànan'ny eo an-toerana ny tontolo iainana, ny fomba fanao ho fanamasahana ny tany, ny heriny lasitra ara-kolontsaina, ny fitrangàn'ny fari-tany... Ny resaka fampandrosoana no fototra amin'izany rehetra izany. Mitantara ny fianarany ny fomba amam-panaon'ny mpandalina jeografy i Joël Bonnemaison, any amin'ny faran'ny boky, no sady milaza koa ny fahitany indray an'io toerana nanaovany fikarohana voalohany io. Ny heviny manokana mikasika ny fivoaran'ny eny ambanivohitra no velariny. Anisan'ny asa farany |